Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 8:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nokasihin’i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan’ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nokasihiny ny tanan’ilay marary ka niala taminy ny tazo; dia nitsangana Ravehivavy ka nanompo Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nokasihin’i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan’ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nandroso sakafo ho azy ireo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:15
15 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro, dia nisy olona nandevina fatin-dehilahy ka sendra nahatazana tampoka andiany iray tamin’ireo tontakely. Ary nanipy faingana ny faty tao am-pasan’i Elisà ny mpandevina, dia lasa nandositra. Saingy vao nahakasika ny taolan’i Elisà io faty io, dia velona indray ary nitsangana.


Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko: «Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.»


Niangavian’ny olona Izy mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary izay rehetra nikasika dia sitrana avokoa.


Onena i Jesoa ary nikasika ny mason’ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an’i Jesoa.


Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin’i Petera nandamaka fa voan’ny tazo.


Nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony no nentin’ny olona teo amin’i Jesoa; teny fotsiny no nataon’i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;


Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.


Fa indro nisy vehivavy mitsi-dra efa nandritra ny 12 taona, nanatona an’i Jesoa avy eo ivoho ary nikasika ny somotraviavin-dambany;


Tamin’izay dia nokasihin’i Jesoa ny mason’ireto jamba sady nataony hoe: –Aoka ho tonga aminareo araka ny finoanareo.


Vantany vao nivoaka ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany.


Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao.


I Jesoa kosa nandray ny tanan-drazazavavy sady niantso hoe: –Razazavavy, mifohaza!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra