Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 7:25 - DIEM PROTESTANTA

25 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary rehefa latsaka ny ranonorana dia nisy riaka be sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:25
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa mipaoka ny rivo-maherin’ny fitsapana, dia indaosiny tsy ho eo intsony ny olon-dratsy; fa mahatanty lalandava izany kosa ny olo-marina.


Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak’i Levỳ. Koa dia hanolotra fanatitra amin’ny TOMPO ara-pahamarinana ireo.


Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako.


–Koa amin’izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy:


Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:


latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavàny.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


ka hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin’ny fitiavana ianareo.


Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra