Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 7:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa izay rehetra mandre ireo teniko ireo nefa tsy mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy adala izy izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:26
9 Rohy Ifampitohizana  

dia ireo voailika alohan’ny fotoana ka lasan’ny riaka hatramin’ny fanorenany?


Ny fahendren’ny vehivavy no mahamafy tokantrano; fa ny fahadalàny kosa maharava izany.


Mahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?


–Koa amin’izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy:


latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy.


latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavàny.


Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin’izao tsy misy fototra; raha vao notonafan’ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.


Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa?


Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra