Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 7:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:22
23 Rohy Ifampitohizana  

Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


sady mandre ny tenin’Andriamanitra no mahita izay asehon’ilay Tsitoha, rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy ka tonga mahiratra fijery.


Matin’ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evỳ sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin’i Behôra.


Lazaiko marina aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma sy i Gômôra noho ny hihatra amin’izany tanàna izany!


–Ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany.


Taorian’izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!»


–Tsy izay rehetra manao amiko hoe: «Tompo ô! Tompo ô!», no hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.


Lazaiko aminareo fa amin’ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma noho ny hihatra amin’izany tanàna izany.


Tsy avy aminy anefa no nitenenany an’izany, fa noho izy mpisorombe tamin’io taona io no naminaniany fa i Jesoa dia ho faty ho an’ny firenena jiosy;


Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.


amin’ilay andro hahatongavan’ny Tompo mba homen’ny vahoakany voninahitra sady higagan’izay rehetra mino Azy. Ho isan’ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.


Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra