Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 –Midira amin’ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin’ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 –Midira amin’ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin’ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:13
38 Rohy Ifampitohizana  

Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin’ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy.


Ary hitan’ny TOMPO fa nitombo haratsiana ny olombelona teto an-tany, ka ny faniriana rehetra tao am-pony dia nirona ho amin’ny ratsy ihany mandavanandro.


Misy toetra heverin’ny olona ho mahitsy kanjo mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.


Ny tranony no lalana ho amin’ny toeran’ny maty, dia lala-midina any am-ponenan-dRafahafatesana.


Ialao ny hakelezan-tsaina, dia ho velona ianareo! ka mizora amin’ny lalan’ny fahaiza-manavaka.»


Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.


Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe «lalana voatokana». Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an’ny vahoakany ihany.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!


Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.


tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Nony efa handao an’i Jesoa ry i Mosesy sy i Elià, dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; ka hanao tranolay anankitelo izahay: ny anankiray ho Anao; ny anankiray ho an’i Mosesy ary ny anankiray ho an’i Elià (Tsy fantany anefa izay nolazainy).


Izaho no vavahady: raha amin’ny alalako no idiran’ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;


Na dia te haneho ny fahatezerany sy te hampahafantatra ny heriny aza Andriamanitra, dia be fahari-po ka nandefitra tamintsika izay fanaka mendrika hirehetan’ny fahatezerany sy tokony hosimbana.


Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain’i Satàna zanahary tompoin’izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavàn’ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr’i Kristy, ilay tena endrik’Andriamanitra.


Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.


Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefàn’ilay Ratsy avokoa.


Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.


Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.


ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.


sy natsipiny tao amin’ny hantsambe. Dia nohidian’ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan’ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra