Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 5:21 - DIEM PROTESTANTA

21 –Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: «Aza mamono olona»; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 –Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: «Aza mamono olona»; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: „Aza mamono olona” (Eks. 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 5:21
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ravehivavy taminy: –Fitenin’ny olona taloha ny hoe: «Anontanio ny mponin’i Abela, dia ho vita mora ny raharaha»


Nanendreny mpitsara tamin’ny isan-tanànamimanda eran’ny tanin’i Joda


Ireo tanàna ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan’ny hisehoany fitsarana eo anatrehan’ny fiangonana.


–Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza maka vadin’olona!»


–Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: «Aza mivadika amin’ny teny napetrakao tamin’ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao!»


–Efa renareo fa voalaza hoe: «Maso efai-maso, nify efai-nify!»


–Efa renareo fa voalaza hoe: «Tiavo ny namanao» ary ankahalao ny fahavalonao!


Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.


Izay rehetra mankahala ny namany iray finoana dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiaina-maharitra mandrakizay mitoetra ao anatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra