Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 4:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia hoy izy taminy: «Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 4:19
17 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Ary i Jesoa nanao taminy hoe: –Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!


Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.


Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko; avelao izy samy maty no hifandevina!


Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy.


Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an’i Levỳ zanakalahin’i Halfeo nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy: –Avia hiaraka amiko! Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy.


Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko!


Hoy kosa i Jesoa tamin’ny anankiray hafa: –Andao hiaraka amiko! Dia izao no navalin’io: –Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an’i dada!


Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!


Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.


Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!


Ekenareo fa tsy nanahirana anareo tokoa aho; kanefa nanao hafetsena, hono, aho mba hahazoako anareo am-pitaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra