Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 4:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy dia nahita olona mirahalahy, dia i Simona, izay atao hoe: Petera, sy i Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina izy ireo fa mpanarato.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ARY nony nitsangantsangana teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy dia nahita olona mirahalahy, dia i Simona, izay atao hoe: Petera, sy i Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina izy ireo fa mpanarato.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 4:18
23 Rohy Ifampitohizana  

Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Avy eo dia mahazo an’i Riblà atsinanan’i Haîna, dia midina mipaka amin’ny sisiny atsinanan’ny farihin’i Kinereta,


Ary izao avy no anaran’ny apôstôly 12 lahy: voalohany i Simôna izay atao hoe Petera, dia i Andrea rahalahiny, i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo,


Niainga avy teo i Jesoa dia lasa nankany amoron’ny farihin’i Galilea, ary niakatra nankeo an-tendrombohitra ka nipetraka teo.


Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!


Dia niala tao amin’ny faritanin’i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin’ny farihin’i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly.


dia i Simôna, izay nomeny anarana koa hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakôba sy i Jôhany, i Filipo, i Bartôlômeo,


Tamin’izany, dia niseho tamin’ny mpianany indray i Jesoa teo amoron’ny farihin’i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany.


Taorian’izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan’ny farihin’i Galilea (na hoe farihin’i Tiberiada).


Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin’i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:


nomeko azy ireo koa i Harabà, ka ny ony Jôrdàna no sisintany, manomboka ao Kinereta ka miafara amin’ny Ranomasin’i Harabà, dia ny Ranomasina Maty, eo am-bodin’ny tendrombohitra Pisgà izay ao atsinanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra