Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 4:16 - DIEM PROTESTANTA

16 ny vahoaka izay mihitsoka amin’ny maizina dia nahita hazavana lehibe, ary ny olona izay mihitsoka amin’ny toerana alofan’ny fahafatesana dia niposahan’ny hazavana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana» (Isa 8.23; 9.1).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 ny vahoaka izay mihitsoka amin’ny maizina dia nahita hazavana lehibe, ary ny olona izay mihitsoka amin’ny toerana alofan’ny fahafatesana dia niposahan’ny hazavana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana’’ (Isa. 8.23; 9.1).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana» (Isa 8.23; 9.1).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 4:16
14 Rohy Ifampitohizana  

any ny mangiran-dratsy na somambisamby dia toy ny alina izay anjakan’ny alo-pahafatesana sy ny korontana, any ny hazavana dia tahaka ny alina mikitroka.


Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.


Tsy ny haizim-pito na ny alo-mainty no tsy ahitany ny mpanao ratsy.


Tsy nihemotra hianòtra ny fonay, tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,


Ny vahoaka mandeha ao anatin’ny haizina dia hahita hazavana lehibe; ary ny olona mipetraka ao amin’ny tany izay tandindomin’ny fahafatesana dia hiposahan’ny hazavana.


Nohamaroinao ny fifaliany ary nampitomboinao ny firavoravoany. Miravoravo eo anatrehanao izy tahaka ny iravoravoana amin’ny fararano sy anaovana antsoantsom-pifaliana rehefa injay mizara babo ny olona.


Omeo voninahitra ny TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo eny an-tendrombohitra rakotry ny alina eny. Miandry ny mazava ianareo, kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany sy hataony toy ny rahona mainty.


Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona sy ny kintana Telonohorefy, manova ny haizim-pito ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, miantso ny rano any an-dranomasina sy manapariaka azy eny ambonin’ny tany, dia ny TOMPO no anarany.


Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay! fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina; ary na mipetraka ao amin’ny maizina aza izahay, dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.


dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra