Matio 28:2 - DIEM PROTESTANTA2 Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Ary indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Jereo ny toko |
Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.