Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 28:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 28:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.


Anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Maria renin-dry i Jakôba sy i Jôsefa mirahalahy, ary ny vadin’i Zebedeo.


Ary teo i Maria avy any Magdalà sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin’ny fasana.


Avy eo dia nody izy ireo ary nanomana zava-manitra sy ilomanitra, fa tamin’ny sabata dia niala sasatra araka ny lalàna.


Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.


Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra