Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:74 - DIEM PROTESTANTA

74 Ary sady niozona sy nianiana i Petera no nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

74 Dia nanomboka niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

74 Ary sady niozona sy nianiana i Petera no nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

74 Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

74 Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:74
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Nony afaka kelikely, dia nanatona an’i Petera ny olona teo ka nanao taminy hoe: –Tena anisan’ireny tokoa ianao, sady ny fiteninao rahateo mampiharihary izany.


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!


Ary hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminao fa anio dia anio ihany, raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Fa nandà i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.


Fa hoy i Petera: –Tsy fantatro izay lazainao, andriamatoa! Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny i Petera, dia nisy akoho naneno.


Fa nandà indray i Petera; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.


eny, satriko mihitsy aza ny ho voaozon’Andriamanitra ka ho tafasaraka amin’i Kristy, hanasoavako ireo iray firazanana amiko, havako ara-nofo.


Raha misy tsy manam-pitiavana ny Tompo, aoka izy ho voaozona! Maràna tha – Avia, ry Tomponay ô!


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao.


Indray andro dia hoy izy tamin’ny reniny: –Tsaroanao moa fony nisy naka ny volanao sekela volafotsy 1 100, ka nanaovanao ozona izay reko tokoa ny nanononanao azy? Ao amiko io vola io, ary izaho ihany no naka azy. Dia hoy ny reniny taminy: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao, anaka!


Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra