Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Dia mba niteny koa i Jodasy, ilay efa hanolotra an’i Jesoa, ary nanao hoe: –Tsy izaho izany, ry Mpampianatra! Dia hoy i Jesoa taminy: –Anao izany teny izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary hoy i Jodasy ilay hanolotra Azy: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Dia mba niteny koa i Jodasy, ilay efa hanolotra an’i Jesoa, ary nanao hoe: –Tsy izaho izany, ry Mpampianatra! Dia hoy i Jesoa taminy: –Anao izany teny izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Dia mba niteny i Jodasy ilay hamadika Azy nanao hoe: «Raby, moa izaho va izany?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary hoy i Jodasy ilay hanolotra Azy: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:25
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe: –Avy taiza ianao, ry Gehazỳ? Ka hoy ny navaliny: –Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.


Toy izao no fomban’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: misesika remby izy, dia mamafa vava ary miteny hoe: «Tsy nanao ratsy aho!»


ary ny arahabaina eny an-kianja sy ny antsoin’ny olona hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra.


Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra.


Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona


Ary nanatona an’i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.


Dia nijoro teo anatrehan’ny governora i Jesoa ary nanontany Azy ny governora nanao hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia hoy i Jesoa: –Anao izany teny izany!


Ary hoy izy rehetra hoe: –Koa Ianao ve izany no ilay Zanak’Andriamanitra? Dia novalian’i Jesoa hoe: –Voalazanareo fa Izaho no Izy.


Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.


Raha tsy mbola tonga ny olona, dia niangavian’ny mpianany hisakafo i Jesoa ka nataony hoe: –Mpampianatra ô, hano re ny sakafo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra