Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Noho izany, miomàna koa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’Olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:44
11 Rohy Ifampitohizana  

Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian’ny Zanak’olona.


Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo.


Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.


Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin’ny mpampakatra tao amin’ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.


Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian’ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony!


Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.


Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.


Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo!


Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan’Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana.


Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin’ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra