Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony nivoaka avy tao amin’ny Tempoly i Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona Azy ny mpianany hampijery Azy ny rafitry ny Tempoly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:1
11 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;


Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?


Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy!»


Ka hoy ry zareo: –46 taona izao no nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao ve no hahatafajoro azy ao anatin’ny telo andro?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra