Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 22:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpiara-misakafo dia nahita lehilahy iray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpiara-misakafo dia nahita lehilahy iray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 22:11
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jehò tamin’ny mpitahiry ny fanamiana: –Amoahy fanamiana avokoa ireo mpivavaka amin’i Bahala. Dia namoaka fanamiana ho azy izy.


Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.


Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay.


Sa holavinao tanteraka ve izahay na hiharan’ny hatezeranao mihoa-pampana?


Amin’izay fotoana izay dia handray fanala Aho ary hosavaiko ny tanànan’i Jerosalema; ka hofaiziko ny olona izay mandry fahalemana toy ny faikan-divay efa mifetaka, dia izay manao anakampo hoe: «Sady tsy hanao soa ny TOMPO no tsy hanao ratsy!»


Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin’ny taom-pijinjana; ary amin’izay vao holazaiko amin’ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.»


Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.


fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony.


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


satria rehefa itafiantsika izany, dia ho hita ho manana vatana vaovao isika.


Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy.


ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarîna araka an’Andriamanitra, ka asehon’ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.


«Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!»


ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra