Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 22:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia nandeha ho eny amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy na ny tsara; dia feno mpiara-misakafo ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia nivoaka ho any amin’ny làlana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia nandeha ho eny amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy na ny tsara; dia feno mpiara-misakafo ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 22:10
15 Rohy Ifampitohizana  

ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn’ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin’ilay Ratsy;


Koa mankanesa any amin’ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin’ny fanasambe.»


Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin’ny mpampakatra tao amin’ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.


Atahorako fandrao, amin’izao fahatongavako izao, dia hampietry ahy eo anatrehanareo ilay Andriamanitro; ka hitomany aho, noho ny maro izay nanota teo aloha nefa mbola tsy niala tamin’ny fahalotoana sy fijangajangana ary fihetsika tsy maotina fanaony.


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.


Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra