Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 21:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Izay mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, ary na zovy na zovy no hianjerany dia ho montsamontsana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Izay mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Izay ho lavo amin’ny ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran’ity vato ity dia ho mongomongo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary izay potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:44
22 Rohy Ifampitohizana  

ary hofehezinao amin’ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany.»


Koa ny tenin’ny TOMPO ho azy ireo dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe: «TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ. Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha, dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany, ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.


Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.


Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.


Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [


Nony nandre ireo fanoharana nataon’i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin’izany.


Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy, kanefa mampalahelo ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany!


Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!


Ary nitsodrano azy telo mianaka i Simehôna; avy eo izy dia niteny tamin’i Maria renin’i Jesoa hoe: –Indro ity zaza ity fa voatendry mba hahatonga ny maro amin’i Israely homelohin’Andriamanitra ary koa hahatonga ny maro amin’i Israely hankatoavin’Andriamanitra. Ho famantarana hifanoheran’ny olona ity zaza ity,


Izay rehetra mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.


I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen’Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa!


araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»


Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.


dia «vato mahasolafaka sy vato mampianjera» izany. Solafaka tamin’io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin’Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra