Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 21:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Dia hoy ry zareo taminy: –Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Hoy ireo taminy: Ho loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany hafa izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Dia hoy ry zareo taminy: –Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 «Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:41
38 Rohy Ifampitohizana  

ary hofehezinao amin’ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany.»


Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.


Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.


Ary hisaona ny firenena, dia ny isam-pianakaviany avy: ny an’ny taranak’i Davida, lahy sy vavy samy mitokana; ny an’ny taranak’i Natàna, lahy sy vavy samy mitokana;


Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon’ny mponina amin’ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.


Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra.


Dia hoy i Jesoa nanontany hoe: –Raha tonga àry ilay tompon’ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin’ireo mpamboly ireo?


Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka. Raha nandre izany ireo mpanohitra an’i Jesoa, dia niteny hoe: –Sanatria izany!


Taorian’ny ady hevitra naharitra, dia nitsangana i Petera ka nanao hoe: –Ry rahalahy, fantatrareo fa nofidin’Andriamanitra avy eo aminareo aho, efa ela ihany izay, mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny hafa firenena ka handrenesany sy hinoany azy.


Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe: –Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.


Dia nofaranan’i Paoly: –Aoka ho fantatrareo fa izany tenim-pamonjena avy amin’Andriamanitra izany dia efa nampitondraina ho any amin’ny hafa firenena ka izy ireo dia hihaino. [


Nandamaka teo am-pandriana ny rain’i Pòbly fa sady voan’ny tazo no nivalan-dra. Nitsidika azy i Paoly, dia nivavaka sy nametra-tanana taminy, ka nahasitrana azy.


Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.


Mitandrema àry! Aza manentsin-tadîny amin’izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadîny tamin’ilay nilaza hafatr’Andriamanitra taminy teto an-tany, mainka fa isika raha miala amin’Ilay miteny amintsika avy any an-danitra.


ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra