Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 21:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22, 23)

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro ; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: ,,Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika’’? (Sal. 118.22, 23).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:42
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.


«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.


Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [


I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny vato nolavinareo mpanao trano no nanjary vato fehizoro!»


araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»


Taotrano najoron’Andriamanitra ianareo, ka ny fanorenana dia ny apôstôly sy ny mpaminany; ary i Kristy Jesoa mihitsy no vato fehizoro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra