Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 20:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Fa ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, niainga vao maraina mba hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fa ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa, ho any an-tanimboalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, niainga vao maraina mba hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanolotra fanoharana hafa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy namafy voa tsara tamin’ny tanimbariny.


Ary nanolotra fanoharana hafa indray tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy nalain’ity lehilahy anankiray ary nafafiny tany an-tanimboliny.


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


–Ary izao koa: ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao.


Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan’andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony.


Dia hoy indray i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholona hoe: –Ahoana kosa ny hevitrareo ny amin’ity? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny taminy hoe: «Ndeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboko anio!»


–Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin’ny zanany lahy.


–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.


Amin’izay ny Fanjakàn’ny lanitra dia ho tahaka ny amin’ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra.


Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy.


–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!


Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.


–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly.


Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.


Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra