Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’NY TOMPO ny mpaminany hoe: «Nantsoiko avy tany Ejipta ny zanako» (Hos 11.1).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: «Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’i Jehovah ny mpaminany hoe: ,,Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako’’ (Hos. 11.1).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’NY TOMPO ny mpaminany hoe: «Nantsoiko avy tany Ejipta ny zanako» (Hos 11.1).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:15
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia ambarao amin’ny Farao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.


«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»


Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.


Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:


Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina.


Tamin’izay no tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe:


Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:


Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»


Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:


Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?


Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Dia nohomboan’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Taorian’izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: –Mangetaheta Aho.


Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.»


–Ry havako, tsy maintsy notanterahina izay nambaran’ny Fanahy Masina mialoha ao amin’ny Soratra Masina; fa niteny tamin’ny alalan’i Davida Izy ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo nisambotra an’i Jesoa;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra