Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’olona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady i Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona*.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:12
25 Rohy Ifampitohizana  

Ren’i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon’i Jesoa, ka nisy nirahin’i Jôhany ny mpianany


Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


Ary novalian’i Jesoa hoe: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny.


Tamin’izay dia azon’ireto mpianatra telo lahy an-tsaina fa i Jôhany Mpanao batisa no voalazan’i Jesoa taminy.


Raha mbola tafaraka tany Galilea ry i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: –Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona


Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.


Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


Fa tonga i Jôhany Mpanao batisa, tsy mofo haniny tsy divay sotroiny, nefa lazainareo hoe: «Ondranondranana!»


Tonga teo amin’ny taniny Izy, fa tsy noraisin’ny mpiray firenena aminy.


Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin’ny fikasan’Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny ratsy fanahy;


dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra