Matio 16:16 - DIEM PROTESTANTA16 Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Namaly i Simona Petera hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona! Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache16 Namaly i Simona Petera hoe: Ianao no Kristy*, Zanak’Andriamanitra velona. Jereo ny toko |
–Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin’ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao aminy.
vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.