57 Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy: – Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!
57 Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy: – Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!
Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»
Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny Tompo, ka ho vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera Izy, ho an’ny fanjakana roa eto Israely; ary maro no hianjera eo ka ho lavo sy ho mongomongo. Ho harato sy fandrika ny Tompo ho an’ny mponina ao Jerosalema; ary maro no ho voafandrika eo ka tsy ho afa-mitsoaka.
Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.
Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak’i Maria sady rahalahin’i Jakôba sy i Jôsèta ary i Joda sy i Simôna? Ary tsy ireto miara-monina amintsika ireto ve ny anabaviny? Dia voasakana hino Azy ry zareo.
Fa hoy i Jesoa taminy: –Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny havany ary eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!
Ka hoy ry zareo taminy: –Tsy ilay io ve no i Jesoa, zanak’i Jôsefa? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa ahoana àry no anaovany hoe: «Nidina avy tany an-danitra Aho»?