Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:21 - DIEM PROTESTANTA

21 saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa raha tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia malaky tafintohina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa raha tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia malaky tafintohina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:21
47 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy, hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Ny olon-dratsy maniry tombontsoa tsy ara-drariny; fa ny olo-marina kosa mamaka sady mamokatra.


Tsy haratsiam-panahy no maha tafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona.


Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!


Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.


Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!


Ny voa nafafy tamin’ny tany be vato dia izay mahaheno ny teny ka mandray azy avy hatrany amin-kafaliana,


Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy: – Mpaminany tsy hajaina eo amin’ny tanàna nahabe azy sy eo amin’ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!


saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina.


Kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana.»


Dia niteny i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.


saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy.


Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky.


homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;


Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.


Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy.


Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao.


ka hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin’ny fitiavana ianareo.


Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa.


Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan’ireny ry i Figelo sy i Hermozena.


Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.


Eny, diso amin’ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin’ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa.


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra