Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ilay nafafy teny amin’ny tsilo indray dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena dia mangeja ny teny ka tsy manome vokatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:22
42 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana


Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.


Hihareraka izay mitoky amin’ny hareny, fa ho tahaka ny ravin-kazo maitso kosa no handrobonan’ny olo-marina.


Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany, satria toy ny manana elatra izy ka manidina toa voromahery eny an-danitra.


indro lehilahy iray mitoetra irery tokoa tsisy namana na rahalahy na zanaka ary nisasatra mafy. Naniry hanan-karena betsaka izy ka nanao anakampo hoe: «Ho an’iza no isasarako sy tsy ahatsiarovako fahasambarana?» Zava-poana sy raharaha ratsy koa izany.


Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!


Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.


ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely.


Koa tahaka ny anesorana ny tsimparifary sy andorana azy amin’ny afo no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Toy izany àry no manjo izay manangon-karena ho an’ny tenany fotsiny fa tsy mba mihary harena ao amin’Andriamanitra!


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa.


Nony hitan’i Simôna fa ny fametrahan’ny apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin’ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany


Aza miray lasitra amin’izao tontolo izao; fa meteza hovan’Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.


Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy efa nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao?


Fahendrena no torînay amin’ny kristianina efa matotra ara-panahy. Saingy tsy ilay fahendren’izao tontolo izao na ny an’ireo mpifehy an’izao tontolo izao, izay olona voalahatra ho ringana.


Tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ireo mpifehy an’izao tontolo izao; satria raha mba nahafantatra izany izy ireo, dia tsy ho nampanombo ny Tompo be voninahitra teo amin’ny hazofijaliana.


Aoka tsy hisy hamita-tena. Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry araka ny filamatr’izao tontolo izao, aoka hanjary adala izy mba ho hendry.


Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain’i Satàna zanahary tompoin’izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavàn’ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr’i Kristy, ilay tena endrik’Andriamanitra.


Araka ny sitrapon’Andriamanitra sady Raintsika, dia nanolo-tena i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika amin’ny fahotantsika ary hanafaka antsika amin’izao tontolo anjakan’ny ratsy ankehitriny izao.


Niaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin’ireo olona tsy manaiky an’Andriamanitra.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra