Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 10:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary raha enjehina ao amin’ny tanàna iray ianareo dia mandosira ho any amin’ny tanàna hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Israely akory ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary raha manenjika anareo amin’ny tanàna anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Isiraely hianareo tsy akory mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:23
29 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.


Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin’ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin’ny sinagôganareo sy hoenjehinareo isan-tanàna.


Lazaiko marina aminareo fa hitambesatra amin’ny olona ankehitriny avokoa izany rehetra izany.


Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian’ny Zanak’olona.


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.


Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko»,


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.


Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy.


Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra;


Lazaiko aminareo fa hanome rariny azy faingana Andriamanitra. Kanefa rahatrizay tonga ny Zanak’olona, moa hahita finoana eto an-tany ve Izy?


Amin’izay no hahitana ny Zanak’olona tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


Taorian’izany i Jesoa dia nitety an’i Galilea fa tsy te hitety an’i Jodea, satria notadiavin’ny manampahefana jiosy hovonoina.


Nony alina ny andro, dia nasain’ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy.


Niaraka tamin’izay dia nasain’ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin’i Timôty kosa no mbola nijanona tao Berea.


Nony nijanona ny tabataba, dia namory ny mpianatra i Paoly ka nanao teny fampaherezana ho azy, ary nanao veloma ka niainga nankany Masedônia.


Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an’i Stefàna. Androtr’iny ihany dia nipoaka ny fanenjehana mahery vaika nihatra tamin’ny Fiangonana tao Jerosalema. Niely patrana eran’ny faritany Jodea sy Samaria ny mpino rehetra, afa-tsy ny apôstôly ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra