Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 10:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:22
30 Rohy Ifampitohizana  

Halan’ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan’ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.


Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.


Kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko.


Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin’ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo.


Hankahalain’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Ho halan’ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,


Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.


Sambatra ianareo raha halan’ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin’ny Zanak’olona.


Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.


Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;


satria, eo amin’ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin’i Jesoa mba haseho ao amin’ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa,


Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin’ny fotoanandro isika raha tsy kivy.


Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.


Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin’ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo.


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


Aza gaga, ry havana, raha ankahalain’izao tontolo izao ianareo.


Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana. «Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin’io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.»


«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin’ny Raiko: homeko fahefana amin’ny firenena izy, ka hifehy azy amin’ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an’izay maharesy koa ny kintana fitarikandro.


ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra