Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 10:18 - DIEM PROTESTANTA

18 ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny Amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny Jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny Jentily.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Ny baikonao no holazaiko tsy amin-kenatra eo anatrehan’ny mpanjaka.


Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany;


Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.


Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Ary rehefa nahavita fijoroana vavolombelona ireo olona roa ireo, dia hiadian’ilay biby miakatra avy amin’ny hantsambe ary ho resiny sy hataony maty.


Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’ireo voavono ho faty satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Kristy ho vavolombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra