Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 10:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fa rehefa manolotra anareo izy dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na ny amin’izay zavatra holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Fa raha atolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:19
20 Rohy Ifampitohizana  

Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.


Holazainao azy ary hampitainao aminy izay tokony holazainy. Izaho kosa homba anareo; ka rehefa hiteny ianareo, dia Izaho no hanoro anareo izay hataonareo.


Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe: –Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho» fa tsy maintsy handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.


Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.


ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena.


–Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin’ny hanina sy fisotro izay tohan’ainareo, na ny amin’ny fitafiana izay ilain’ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena?


Noho izany, aza manahy ianareo ka manao hoe: inona no hohaninay? na hoe: inona no hosotroinay? na hoe: inona no hitafianay?


Noho izany, aza manahy ny ho ampitso ianareo; satria ny ampitso hanahy ny ho azy, fa ampy ho an’ny andro anio ny fahoriana mitranga eo aminy.


Raha entina hotsaraina eo amin’ny sinagôga na eo anatrehan’ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin’izay havalinareo na izay holazainareo;


fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.


kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina Izay nampiteny an’i Stefàna.


Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana.


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra