Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 1:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Josefa dia nanatanteraka izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra an’i Maria vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Josefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ny anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 1:24
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.


Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.


Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,


Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


dia narehitra ny jiro teo anatrehan’ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


ary nodorana teo amboniny ny vovo-javamanitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


Dia indro nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin’ilay efitry ny fonja. Notohinin’ilay anjely teo amin’ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe: –Mitsangàna faingana! Nilatsaka ho azy ny gadra tamin’ny tanan’i Petera.


Nefa nony alina, dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny fonja ary namoaka ny apôstôly sady nanao taminy hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra