Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 1:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 1:22
22 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:


Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao, araka izao hita anio izao.


Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa amperôran’i Persia no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:


Koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe:


saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana.


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Fanoharana no hitenenako; zavatra nafenina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao no hambarako.»


Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»


Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»


–Aza heverinareo fa hanafoana ny lalànan’i Mosesy mbamin’ny fampianaran’ny mpaminany no nahatongavako. Tsy hanafoana no nahatongavako fa handavorary.


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»


Satria andro nataon’Andriamanitra ho famaizana izany andro izany, mba hahatanterahan’izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina.


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin’Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra».


Tonga izany mba hahatanteraka ny teny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nankahalainy tsy amin’antony Aho.»


Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.


Izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Ray ô, tsy navelako hisy very tamin’ireo nomenao Ahy na dia iray aza.»


Notanterahin’Andriamanitra tamin’izany anefa izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany.


Ao amin’ny Soratra Masina no efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany io Vaovao Mahafaly io:


Fa nanome fo azy ireo Andriamanitra hanatanteraka ny heviny, dia hevitra tokana: ny hanomezan’ireo ny fanjakany ho an’ilay biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra