Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:37 - DIEM PROTESTANTA

37 –Na iza na iza mandray ny anankiray amin’itony zaza itony amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Na zovy na zovy no mandray iray amin’itony zaza itony amin’ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia tsy Izaho no raisiny fa Ilay naniraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 –Na iza na iza mandray ny anankiray amin’itony zaza itony amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Ary niteny i Joany ka nanao taminy hoe: «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsìka ka noraranay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:37
13 Rohy Ifampitohizana  

–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra.


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:


Ary hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: –Izay mihaino anareo, dia mihaino Ahy; izay manamavo anareo, dia manamavo Ahy; ary izay manamavo Ahy, dia manamavo Ilay naniraka Ahy.


sady nanao tamin’ny mpianany hoe: –Na iza na iza mandray ity zaza ity amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia Ilay naniraka Ahy no raisiny. Eny, izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe indrindra!


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.


Koa izay mandà izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra