Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Tsy nisy nahateny anefa izy ireo satria niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay lehibe indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: «Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Fa tsy nahateny izy satria efa niady hevitra teny an-dàlana izy ny amin’izay lehibe indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Tsy nisy nahateny anefa izy ireo satria niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay lehibe indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:34
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe: –Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!


Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.


Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin’ny fifanajana.


tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry;


Efa nanoratra tamin’ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diôtrèfa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankatò anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra