Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: –Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: –Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’ny izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 ARY tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:33
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga tao Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nanatona an’i Petera ireo mpandray ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly, ary nanontany azy hoe: –Moa tsy mandoa ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?


Takatr’i Jesoa avy hatrany ny eritreritr’iretsy mpahay lalàna ka hoy Izy taminy: –Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?


ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.


ary tsy nilainy hisy vavolombelona manambara Azy momba ny olona; fa Izy mihitsy no nahafantatra izay tao am-pon’ny olona.


Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko.


Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra