Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Dia notantanan’i Jesoa ilay jamba, ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna; dia nasiany rora ny mason’ilay jamba ary rehefa nametrahany tanana izy, dia nanontaniany hoe: –Mahita ve ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony ka napetrany taminy ny tanany dia nanontaniany hoe: Mahita zavatra va ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia notantanan’i Jesoa ilay jamba, ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna; dia nasiany rora ny mason’ilay jamba ary rehefa nametrahany tanana izy, dia nanontaniany hoe: –Mahita ve ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va hianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony ka napetrany taminy ny tanany dia nanontaniany hoe: Mahita zavatra va ianao?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:23
12 Rohy Ifampitohizana  

Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohòka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen’i Jakôba mpanompoko ilay Jesoròna izay nofidiko.


Tsy nisy nanohana anao na iray aza ireo zanaka rehetra naterakao; ary tsy nisy nitantana anao na iray aza ny ankizy rehetra notezainao.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


sady niangavy azy mafy nanao hoe: –Eo ambavahoanan’ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.


Dia nentin’i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin’ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany.


Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: –Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha.


Nalefan’i Jesoa hody any an-tranony ralehilahy sady nilazany hoe: «Aza mankao an-tanàna!»


Dia nandray ny tanan’ilay tovolahy ny komandy ka nitondra azy hitokana ary nanontany azy hoe: –Inona izato holazainao amiko?


Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy.


Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra