Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy. Dia hoy ny mpianatra taminy: –Ka handeha àry ve izahay hividy mofo denàry roanjato homena hohaniny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Fa hoy ny navaliny azy: Omeo hanina ireo olona ireo. Hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roanjato va izahay hohaniny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy. Dia hoy ny mpianatra taminy: –Ka handeha àry ve izahay hividy mofo denàry roanjato homena hohaniny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Fa izao no navaliny azy ireo: «Omeonareo hanina izy,» ka hoy ireo taminy: «Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:37
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny dekà, izay nianteheran’ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisà: –Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.


Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.


Vao tafavoaka anefa ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany izay nananany trosa denàry zato. Noraisin’ilay mpampitrosa teo am-bozona izy, ka nokendainy sady nataony hoe: «Aloavy izay trosako aminao.»


ka ravao ny olona mba handeha hividy sakafo eny amin’ny trano an-tsaha sy tanàna kely manodidina.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Misy mofo firy any aminareo? Ndeha hoe jereo. Ka nony fantatry ny mpianany, dia hoy ireo hoe: –Mofo dimy, ary koa trondro roa!


Ka hoy i Jesoa taminy: –Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin’izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denàry dimanjato, ny iray denàry dimampolo.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy. Fa ny mpianany kosa niteny hoe: –Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an’ireo vahoaka be ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra