Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niampàran-drazazavavy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:40
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka ny trano i Lôta mba hiteny amin’ireo vinantony izay hanambady ny zanany vavy ka nanao hoe: –Miaingà, ialao ity toerana ity fa horavan’ny TOMPO ny tanàna. Saingy noheverin’ireo vinantony ho manao kivazivazy i Lôta.


Dia niditra izy ka nihidy aman-trano niaraka tamin’ny zaza ary nivavaka tamin’ny TOMPO.


Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe: –Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin’ny amperôra angaha ianareo?


Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho raha mba miantso an’Andriamanitra hamaly ahy; eny, ihomehezana ny marina tsy manan-tsiny.


Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony, ka sady voaompa no lavin’ny vahoaka;


Tsy izay miditra ao am-bavan’ny olona no mahaloto azy; fa izay aloaky ny vavan’ny olona no mahaloto azy.


Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin’ireo olona tao nanao hoe: –Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!


Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)


Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.


Vao nandre an’i Paoly niteny momba ny fitsanganan’ny maty ireo olona teo amin’ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe: –Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’io zavatra io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra