Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:23 - DIEM PROTESTANTA

23 sady niangavy azy mafy nanao hoe: –Eo ambavahoanan’ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 ka niangavy fatratra Taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy kely; andeha re, apetraho aminy ny tananao, mba ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 sady niangavy azy mafy nanao hoe: –Eo ambavahoanan’ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 sady nihanta mafy taminy nanao hoe: «Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tànanao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 ka niangavy fatratra Taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy kely; andeha re, apetraho aminy ny tananao, mba ho sitrana izy ka ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:23
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa tezitra i Nahamàna, dia lasa sady nanao hoe: –Noheveriko fa mba hankatỳ amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin’ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin’ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.


handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.


Dia lasa niaraka tamin’i Jaîro i Jesoa. Vahoaka nifanitsa-kitro no nitanjozotra nanaraka Azy, ka nifanety taminy.


Demony maro no noroahiny ary marary maro no nohosorany diloilo ka nositraniny.


Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin’ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana.


Dia notantanan’i Jesoa ilay jamba, ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna; dia nasiany rora ny mason’ilay jamba ary rehefa nametrahany tanana izy, dia nanontaniany hoe: –Mahita ve ianao?


Dia nametrahan’i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin’izay ka nanome voninahitra an’Andriamanitra.


Rehefa niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry Simôna. Ary voan’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna ka niangaviana Azy hositraniny.


Vao maty kosa ny masoandro, izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny.


Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.


Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe: –Tompo ô, marary ilay sakaizanao!


Nandamaka teo am-pandriana ny rain’i Pòbly fa sady voan’ny tazo no nivalan-dra. Nitsidika azy i Paoly, dia nivavaka sy nametra-tanana taminy, ka nahasitrana azy.


Naroso teo anatrehan’ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan’ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana.


Dia nametrahan’i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.


Tamin’izay i Saoly dia nisehoam-pahitana ary nahatazana lehilahy atao hoe Hananià, izay niditra tao aminy sy nametra-tanana taminy mba hahiratan’ny masony indray.)


Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon’i Joda, ary nametra-tanana tamin’i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan’ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra