Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:15 - DIEM PROTESTANTA

15 dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary tonga tany amin’i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:15
21 Rohy Ifampitohizana  

Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?


Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


Tsy mampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany? Tsy mianjady aminareo ve ny fahatahorana Azy?


Indreo fa matahotra dia matahotra ireny, satria ny mpivavaka iandanian’Andriamanitra.


Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.


Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12?


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Rehefa voaroakan’i Jesoa ny demony, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao teto amin’i Israely!


Nandositra ireo mpiandry kisoa ka lasa nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. Koa avy ny olona hijery ny zava-niseho,


Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin’ireo vao tonga ny zava-niseho tamin’ilay azon’ny demony sy ny nanjo ny kisoa teo.


Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon’ny demony teo aloha nanao hoe: –Avelao aho hiaraka aminao!


Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy.


Dia nanontany an-dralehilahy i Jesoa nanao hoe: –Iza no anaranao? Ka namaly izy hoe: –Tafika no anarako, satria maro izahay!


I Marta dia nanan-drahavavy antsoina hoe Maria. Naka toerana teo an-tongotry ny Tompo i Maria ka nihaino ny teniny.


Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon’ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin’ny fasana.


fa nanala antsika tamin’ny fahefàn’ny haizina Izy, ka namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany,


Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen’Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.


Narahin’i Samoela izay voalazan’ny TOMPO, ka dia tonga tany Betlehema izy. Ary ny loholona tao an-tanàna nirohotra nitsena azy ka nanao hoe: –Fiadanana ve no nahatongavanao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra