Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ary hoy koa i Jesoa taminy: –Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Hoy indray Izy tamin’izy ireo: Diniho izay teny renareo. Araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ary hoy koa i Jesoa taminy: –Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Dia hoy indray Izy: «Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Hoy indray Izy tamin’izy ireo: Diniho izay teny renareo. Araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:24
16 Rohy Ifampitohizana  

Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Izao no lazain’ny TOMPO: Mitandrema tena ianareo mba tsy hitondra entana amin’ny andro sabata ka hampandalo azy amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!


Koa tandremo àry ny fomba fihainoanareo; satria izay manana no homena; ary izay tsy manana kosa, na izay kely heveriny ho ananany aza dia halàna aminy.


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan’ny maty ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona.


Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly.


Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be.


Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika.


Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin’Andriamanitra, mba hitomboanareo amin’izany ka hahazoanareo famonjena,


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra