Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 15:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Aoka ilay Mesia, Mpanjakan’i Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an’i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Aoka ny Kristy, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Aoka ilay Mesia, Mpanjakan’i Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an’i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Aoka Kristy, Mpanjakan’ny Isiraely, hidina hiala amin’ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy, koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Aoka ny Kristy*, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:32
16 Rohy Ifampitohizana  

Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Koa 14 izany no isan’ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; 14 koa hatramin’i Davida ka hatramin’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin’ny Mesia.


–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, dia hinoanay.


Dia nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka taminy.


Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan’ny Jiosy».


Nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: –Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan’i Israely!


Fa ahoana kosa ny amin’izay tsy nahatoky tamin’ireo Jiosy ireo? Noho ireny tsy nahatoky ireny ve no hampiova an’Andriamanitra ka hahatonga an’Andriamanitra ho tsy mahatoky?


efa nivaona niala tamin’ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan’ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra