Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 15:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: –Fa inona àry no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary hoy i Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ireo ka niteny hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: –Fa inona àry no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 «Fa inona àry no ratsy nataony?» hoy i Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary hoy i Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ireo ka niteny hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:14
24 Rohy Ifampitohizana  

Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.


Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.


Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.


Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»


sady nilaza hoe: –Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: –Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!


Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an’i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!


Fa hoy indray ny antsoantson’ny vahoaka hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!


Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana.


Kanefa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Homboy, homboy amin’ny hazofijaliana io!


Ka hoy i Pilato tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny vahoaka: –Tsy ahitako heloka na iray aza ity Lehilahy ity!


Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin’ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.


Nahita ny zava-nitranga ilay kapiteny rômanina ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady niteny hoe: –Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io!


Dia hoy i Pilato taminy: –Inona no marina? Avy nanontany izany i Pilato, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: –Izaho dia tsy mahita izay helony, na dia iray aza!


Nony mahita an’i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantsoantso nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana io! Homboy amin’ny hazofijaliana io! Fa hoy i Pilato taminy: –Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazofijaliana; fa Izaho tsy mahita izay helony.


ary na dia tsy nahita antony hanamelohana Azy ho faty aza ry zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana Azy.


Kanjo nony nahafantatra ny olona fa hay Jiosy i Aleksandra, dia indray niredona izy rehetra nihorakoraka hoe: –Lehibe i Artemida, andriamanitry ny Efesianina! Naharitra tokony ho adiny roa izany horakoraka izany;


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra