Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:34 - DIEM PROTESTANTA

34 ka niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Dia hoy Izy tamin’ireo: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 ka niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary hoy Izy taminy: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Dia hoy Izy tamin’ireo: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miareta tory.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:34
10 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, dia homeko anjara lova eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy ka olona alikisa no hataony babo, satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy; eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»


Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.


ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!


–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.


Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra