Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 14:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary nony nandroso kelikely Izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany Aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:35
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».


Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!


Ary niverina Izy nankeo amin’ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!


Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!


Ary nihataka tamin’ny mpianany tokony ho tra-toraka i Jesoa; dia nandohalika Izy ary nivavaka


Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.


Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.


I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.


dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:


Dia novalian’ny zava-miaina efatra hoe: «Amen!» Ary ny loholona kosa niankohoka sy nitsaoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra