Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia nandeha izy roa lahy ka tonga tany an-tanàna, ary nahita ny toe-javatra araka izay voalazan’i Jesoa taminy sy nanomana ny sakafo Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary nandeha ny mpianatra dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia nanomana ny Paska izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia nandeha izy roa lahy ka tonga tany an-tanàna, ary nahita ny toe-javatra araka izay voalazan’i Jesoa taminy sy nanomana ny sakafo Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary nandeha ny mpianatra dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia nanomana ny Paska izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:16
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho, ka ny antoandro no namoahako avy ao an-tranoko ny entako toy ny entan’ny babo; ary ny hariva no nanagorobahako ny manda tamin’ny tanako. Ary nony efa maizimaizina ny andro, dia nentiko niainga ny entako ka teny an-tsoroko no nitondrako azy teo imason’ny besinimaro.


Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sy ary fomba sady voavoatra tsara; ka ao ny sakafontsika no omàny.


Nony hariva ny andro, dia tonga i Jesoa mbamin’ny 12 lahy.


Lasa izy roa lahy ka nahita ny toe-javatra araka ny voalazan’i Jesoa taminy ary dia nanomana ny sakafo Paska.


Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny apôstôly: –Moa orin-javatra ve ianareo, raha nirahiko tsy aman-kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa? Dia novalian’ireo hoe: –Tsy orin’inona na inona izahay!


Eny, ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ilay andro hanaovan-dry zareo izany, fa niteny taminareo Aho. –Ireo zavatra ireo dia tsy noteneniko taminareo hatramin’ny voalohany, satria mbola niaraka taminareo Aho;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra