Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Raha ilay nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly iny i Jesoa, dia niteny hoe: –Ahoana no ilazan’ny mpahay lalàna fa hoe Zanak’i Davida ny Mesia?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ary Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanoradalàna fa Kristy dia Zanak’i Davida?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Raha ilay nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly iny i Jesoa, dia niteny hoe: –Ahoana no ilazan’ny mpahay lalàna fa hoe Zanak’i Davida ny Mesia?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Ary mbola nampianatra tao anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 ARY Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain’ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak’i Davida?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Ary Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly, dia niteny hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanoradalàna fa Kristy* dia Zanak’i Davida?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:35
12 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin’ny andian’olona nirahina hoe: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan’andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.


Raha niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!


Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.


Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna ary ny loholona.


Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!


Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; fa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin’ny loholom-bahoaka kosa nitady hahafaty Azy.


Indray andro, dia nampianatra ny vahoaka teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa sady nanambara ny Vaovao Mahafaly taminy. Tonga kosa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin’ny loholona


Ny antoandro i Jesoa dia nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly; ny hariva kosa Izy nankany ivelan’ny tanàna, ka nandany ny alina manontolo teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva.


ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an-kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.


Tsy efa voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan’i Davida no iavian’ny Mesia?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra