Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin’ny mpianany hoe: –Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary Jesosy nijery manodidina ka niteny tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny fidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin’ny mpianany hoe: –Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary Jesosy nijery manodidina ka niteny tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny fidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Moa nametra-pitokiana tamin’ny volamena ve aho na nanao taminy hoe: «Ianao no aroko»?


ka hoy Izy: –Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao.


Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karembe.


Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.


Dia nanopy maso manodidina Azy i Jesoa mba hijery ilay vehivavy izay efa nanao izany.


Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe: –Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson’Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana.


Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ao amin’ny Fanjakana maharitra mandrakizay, dia ny Fanjakàn’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra