Ary niteny indray i Hezekià ka nanao tamin’ny vahoaka hoe: –Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an’ny TOMPO dia manatòna ary mitondrà sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon’ny TOMPO! Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.
Naveriny amin’ny laoniny indray ny alitaran’ny TOMPO ka nanolorany sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana teo amboniny; ary nodidiany hanompo ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jodeanina.
Sorona maro no natolotra tamin’izany andro izany ary fifaliana no nanjaka, satria antom-pifaliana lehibe no efa nomen’Andriamanitra ny olona. Tao Jerosalema dia nifaly mbamin’ny zaza amam-behivavy, ka re lavitra ny hobin-kafaliana.
ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»
«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.
Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.
Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.
Koa amin’ny alalan’i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an’Andriamanitra mandrakariva ny fideràntsika Azy, dia fiderana ventesin’ny molotr’ireo olona miaiky an’Andriamanitra ho Tompo.
Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan’ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.